Ny fiainana aty Dago

Nampidirin'i manjamanja | 24 Nov, 2007

 

Hono ry reto, manao ahoana ny fahitanareo ny fiainana eto Dago??  Ny ara-toe-karena indrindra indrindra??

Inona ny fahitanareo ny olana na sakana mahatonga antsika tsy tody amin'ny fivoarana ( développement). Tsy fahaizana mitantana ( mauvaise gestion ) sa fetsifetsen'ny vahiny (exploitation de l'étranger), sa tsy ampy ny fanabeazana ( marihina fa 80% ny gasy dia mbola miaina any amin'ny tontolo ambanivohitra), sa ny vola hoentina hampandrosoana mintsy no tsy ampy na tsy amin'ny lalàna tokony ho izy?? Na koa hoe ny toe-tsaina mihintsy, ny fomba sns...

 

 


6 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Ny fiainana aty Dago"

  1. Allo allo ! Masaka be zany resaka izany ! Fahitako azy dé mifangaro ao daholo lé izy. Sady misy tsy fahaisana mitantana sy ny zavatra hafa voa tory eto FA ny fahitako azy dia efa miova ny toe-tsaina!
    Betsaka ny tanora mihetsika sy manana fisainana "motivé"! Reny ny "locomotive" an'ny firenena! Nareo moa zany, itsika moa ê !

    Nampidirin'i jogany 24 Nov 2007, 19:42
  2. Sarotra tokoany miteny hoe izao na izao ihany ilay antony aloha e! Mifangaro tokoa.

    Na izany aza anefa dia ilay toe-tsaina no hitako ho tena vatomisakana : raha tonga saina sy tia tanindrazana isika tsy ho afaka ambakain'ny vahiny izany mihitsy.
    jogany : Tsara jogany le manana fomba fijery "optimiste" nefa raha ny hitako tany dago izay de tsy izany mihitsy no tsapako :
    - te hi-zesta hiteny vahiny ny ankamaroan'ny tanora. Izany hoe : atakalony ny maha-gasy azy.
    - mbola manerana ny ministera maro ny kolikoly. ao @ TOPO sy DOMAINE no hitako (aleo tanisaiko eto sao heverin'ny sasany ho mamorona aho).
    Sns

    Nampidirin'i Tokinao 25 Nov 2007, 09:59
  3. ankoatra ny kolikoly izay herin'ny fitiavan-tena dia tsorina ankitsirano fa tsy misy firaisan-kina ho amin'ny fampandrosoana eto Dago ! ary amin'ny sehatra maro izany !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Nov 2007, 16:46
  4. well well mafana be ny resaka ato zany! Zavatra hotrany hitovizan tsika @ ny afrikanina io toe-tsaina io. Rehefa misy mba tafita de tsy halala an'izay tanindrazanany. Sady tsy vitan'izany fa draydray ary mamadika(ary mivarotra tany sy harena an'ny @ vahiny...)
    Nefa kosa ny toe-tsainan'ny sinoa sy ny asiatique tsy mitovy. Mifanampy be sy (valoriser?) an'ny zavatra misaka an'ny tanindrazany ry zareo.
    Ary io mihitatra hatran'ivelany satria ny diaspora aza manampy be mandefa vola sy miverina any @ tananany. Ny tena hitako fa tena mafinaritra dé reny "entrepreneurs" manohana ny "importations" avy amin'ny tanindrazany. Manampy be ny industrie any @ tanana. Enfin zay aloha ny aty an Canada satria ry zareo tena manosika an'ny immigrés miasa hoan'ny fampandrosoana an'ny firenenany.

    Zay ary aloha (manao azafady raha tsy dé mahay manoratra amin'ny teny gasy lotra...atao zay mety!!)

    Bizzzzz

    Nampidirin'i jogany 25 Nov 2007, 17:12
  5. fehin'izany dia ny "toe-tsaina" hoy aho ! ny gasy rahateo tsy mba mianatra ny tsara mampandroso fa ny ratsy mampihemotra. Izaho te-hi-insiste amin'ilay resak firaisan-kina kanefa sarotra e ! misy ireo mpiray tanindrazana mielim-patrana ary "miray hina" ho an'ny tanindrazana kanefa vitsy anie ireny na dia ambony aza ny sandam-bola rehefa tonga eto saingy sehatra kely no voasahany ary matetika dia zavatra manokana sy mitokana (ponctuel). Ireny aza dia mbola ahitan'ny sasany fanodinana ihany. Mampalahelo an !

    Nampidirin'i Tsikisariaka 26 Nov 2007, 08:02
  6. Ny ahy ny fahitako azy, ny vola sy en-timanana no hitako fa tsy ampy eto amin-tsika. Raha ny fahaizana aloha dia ataoko fa maro tokoa ireo malagsy tsy mena mitahy amin'ny any ivelany , ny toe-tsaina koa ataoko fa tsy dia tena hoe ratsy fa atosiky ny tsifanana e ...

    Ny tena marina raha nandinika aho dia ny tenin'ilay razoky izay hoe: "ny gasy tsy mahantra fa sahirana" :)

    Nampidirin'i harinjaka 28 Nov 2007, 07:12